<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>A.P. Berggreen</author>
<title>Rahoviana no ho lany FFPM555</title>
<lyrics>[V1]
 Rahoviana no ho lany
 Ny manjo atý an-tany ?
 Jeso Vatolampiko
 Ampy hiankinako.

[V2]
 Mahereza, ry fanahy
 Aza manana ahiahy,
 Jeso itokiako,
 Hampionona ny fo.

[V3]
 Ny mahory dia mandala,
 Ringana ny fahavalo,
 Ny atý hilaozako,
 Mba handray ny lovako.

[V4]
 Mino aho, ry Mpamonjy,
 Fa ho tena voavonjy :
 Afakao ny heloko,
 Hianao isaorako.

[V5]
 Dia ho lany ny mahory,
 Ka ho samy tafavory
 Eo anatrehanao,
 Izahay mpanomponao.</lyrics>
<hymn_number>555</hymn_number>
</song>